Mipetraka ambany

Sary fanatanjahantena ho an'ny bevohoka

Mampirindra tsara ny saina sy ny vatana. Mipetraha  mahitsy tsara,  ahitsio tsara ny lamosina, akambano toy ny hoe hivavaka ny tanana roa, toy io amin’ny sary io. Ampifanandrifio tsara ny ratsan-tanana afa-tsy ny ankibe izay aforitra hiditra ao anatiny.

Mifoka rivotra mafy ary somary atosika amin’ny ratsan-tanana. Tazomy eo tokony ho 10 segondra.

Avoahy moramora miaraka amin’ny famotsorana ny tanana. Manaova toy izany matetika dia ho hitanao ny vokany e!

 

Midaboka miankavia

 

Sary fanatanjahantena ho an'ny bevohoka
Ity no position tsara indrindra mampirindra ny fikorinan’ny rà eo amin’ny vehivavy bevohoka sy ny zazakely ao an-kibo.

 

 Midaboka miankavia, atsotra tsara ny tongotra, atao toy ny ondana ny tanana iray. Mba ahazo aina kokoa dia asio ondana malemilemy eo amin’ny lohalika havanana sy eo ambanin’ny kibo. Ankipio ny maso dia aza mieritreritra zavatra hafa intsony.

Asiana ondana ny tongotra

 

Sary fanatanjahantena ho an'ny bevohoka
Maka toerana tsara toy izao. Mahomby io sady manampy amin’ny fikorinan’ny rà ary mahafa-bizana ny tongotra.

 

 Midaboha ambany, asio ondana malemilemy ny tongotra na apetraho eo ambony canapé. Maka aina tsara eo elaela fa ahazo aina tokoa ianao.

Miankina amin'ny rindrina

Sary fanatanjahantena ho an'ny bevohokaAfaka ataonao n’aiza n’aiza sady tena mety tsara.

Apetraho 25 cm eo ho eo miala amin’ny rindrina

ny tongotra,  ankino tsara amin’ny rindrina ny lamosina.

Ankipio ny maso ary  mijanona eo minitra vitsivitsy. Ho hitanao fa mba ahazo aina ianao.

Mipetraka ambony seza

Sary fanatanjahantena ho an'ny bevohoka

Rehefa enao irery iny no ao @ birao dia

manaova toy izao, na ao an-dakozia rehefa avy manao sakafo iny.

Miankina tsara @ seza, ny tongotra apetraka tsara @ tany.

Ampiakaro eo ambonin’ny loha ny tanana ka ampifandraiso. Ataovy ambony araka izay vita.Tazomy elaela eo ary avotsory avy eo.

Ireo tranga misy amin’ny vehivavy bevohoka ?

2008-01-20 @ 08:49 in Ny fiaimpianan'ny vehivavy bevohoka

Falifaly ery enao fa hoe mitoe-jaza (ho an’izay naniry azy io mazava ho azy), Zava-baovao mantsy izy ity ka mahatonga ny vehivavy sasany hanahy be ihany sy  mametraka fanontaniana be  dia be.,

« Mba ho haiko ve izany miteraka? »,

« Ho tomombana tsara ve ny zanako ?, salama tsara tsy hisy fahasembanana ? » na koa hoe 

Hiova ve izao ny toe-batako? Sns maro be tsy voatanisa…

 

Amin’io koa no misy tranga maro samihafa @ vatan’ny vehivavy toy ny mando, fanimpanina, marary an-doha, somary miha-mavesatra ny nono, te ihinana zavatra marikivy na tsy te-ihinana inona inona mihitsy ….tsy mampatahotra akory izany fa normaly tsara be sady raha ny tokony ho izy dia telo volana eo ho eo ihany no isian’ireo tranga tsy dia mahazatra ny vatana ireo.

Inona daholo ary ireo tranga misy amin’ny vehivavy bevohoka ?

 

Mando

 

Tsy voatery hando akory ny vehivavy rehetra bevohoka fa arakaraka ny toe-batan’ny tsirairay io. Misy ny mando isanandro isanandro, misy ny mando raha vao maheno fofona toy ny vary mangotraka, laoka mangotraka, …misy na dia mieritreritra zavatra tsy tiany ho hanina aza dia efa mando…Tsotra ny fanafodiny : Aza tonga dia mitsangana tampoka avy eo am-pandriana rehefa hifoha, mijanona aloha midaboka minitra vitsivitsy, maka toerana moramora ary misotroa rano iray vera izay vao mitsangana. Tsara tokoa io hampalefaka ilay filàna te-hando ary mahatsara ny zazakely. Mihinana tsara sakafo ary fadio ny manao noana fa iny no tena mampando, hano izay tiana ho hanina dia milamindamina izy e. Rehefa  tapitra ny faha 3 volan’ilay kibo dia mijanona io f’aza matahotra hoe marary izany fa normal io.

 

Mandrora

 

Tsy afa-misaraka amin’ny vehivavy bevohoka koa ity mandrorandrora avy etsy avy eroa ity. Sady indrindra fa ilay karazan’olona mando izy. Fantaro fa ny sakafo be amidon dia mahabe ny rora ka tsara raha tandremana ny fihinanana azy ireo na hotsanina tsara ny ati-vava rehefa avy homana azy ohatra ny ovy, katsaka, vary, farine…na mihinana bonbon misy menthe e !

 

Aretin’andoha

 

Tena mahasorena mihitsy ny vehivavy bevohoka ny marary an-doha lava sady amin’izay fanimpanina, rera-dava, mailaindai-mihetsika, tsy hita e ! izany no hono no natoraly amintsika vehivavy, tsy azo lavina io fa tsy maintsy atrehana. Ny azonao atao raha mahazaka parasetamola dia mihinana fa fadio ny aspirinina, ny tsara indrindra aloha dia manantona mpitsabo alohan’ny handraisana fanafody e, sao manko vao may loza satria miovaova ny toe-batanao aminao bevohoka iny. Misy zavatra lasa tsy tianao sy tsy zaka na dia fy ery aza taloha. Ka TANDREMO TSARA AN!

 

Panda

 

Ity aloha dia sady mahamenatra ny vehivavy no mahasorena azy e, atao daholo ireo produit fanosotra amin’ny tarehy nefa tsy misy vokany fa io eo ihany ny panda (tasy mainty amin’ny tarehy, eo amin’ny handrina na orina…), tena mahakamo saingy tsy misy azo atao afa-tsy ny miaritra azy mandrapaha-teraka. Mba tsy de hampirongatra azy  be loatra dia manaova satroka foana fa aza avela azon’ny hainandro ny tarehy. Maherea mihinana mihinana voankazo sy misakafo tsara mba tsy ahia kely fa manjary kozatra kely ratsy tarehy be eo.

 

Mbola hitohy...