«

Fianarana zaitra @ teny malagasy.

2013-02-23 @ 10:18 in Resaka rehetra momba ny zaitra

 

Ho antsika Reny!

 

Tsy voatery mividy lafo ireny touffé ireny akory raha

te-hampiankanjo tsara ny zaza, mila mahay mandresy lahatra

ny tenanao hoe vitako io dia vita! sa ahoana hoy ianao?

Nofidiana ho anao ary ity lesona tsotsotra ity hanampy raha

liana @ izany ianao. Raha te-hijery ireo lesona hafa momba

ny zaitra ianao dia aza hadino ny mitsidika ny zaitra-couture-mode  fa misy fanazavana sy lesona hafa koa ao.

Mazotoa ary e!

 

AKANJON'ANKIZIVAVY

(03 ka hatramin'ny 12 taona)

 

 

Fitaovana ilaina

  

1)-Metatra

2)-Fitsipika

3)-Pensilihazo

4)-Gaoma

5)-Taratasy be velarana

6)-Ravin-damba : halavan'ny akanjo miverina indroa ampiana 10cm ka hatramin'ny 20 cm arakaraky ny tona (zaza 03 taona : 100 cm x 80 cm)

7)-Bokotra efatra (4) ho an'ny zaza 03 taona)

8)-Milina fanjairana

  

Fakana Refy

  

1)- Manodidina ny tratra                        5)- Velaran'ny lamosina

2)- Manodidina ny vozona                     6)- Velaran'ny soroka

3)- Halavan''ny anoloana                       7)- Manodidina ny sandry

4)- Halavan'ny akanjo                            8)- Haavon'ny vodihelika

  

Haben'ny Zaitra

  

Eo @ tanany        :           - Vodihelika               = 1 cm

                                               - Manaratanan   = 1,5 cm

                                               - Lohatanana     = 2 cm

@ tenan'akanjo   :           - Vozona                     = 0,5 cm

                                               - Lohasoroka     = 1,5 cm

                                               - Manaratena     = 1,5 cm

                                               - Vodiheika        = 1 cm

                                               - Andilana          = 1,5 cm

Ny zipo                :           - Sisiny                       = 1,5 cm

                                               - Andilana          = 1,5 cm

                                               - Morontongony = 4 cm

                                               - Lamba didy sompirana = 2cm x 28cm

  

Fomba fanjairana

  

1)-Manao vikavika mahalana isaky ny fiforetan'ny lamba sy afovoan'ny andamosina

2)-Zairo ny afovoan'ny andamosina

3)-Akambano @ zaitra mivelatra ny soroka sy ny manaratena

4)-Akambano ny sisin'ny zipo

5)-Aforeto ny arotaninandro aoriana @ tenan'akanjo

6)-Vikavikao sy ampifanindrio ny afovoany andamosina ka ny ankavanana no ataovy ambonin'ny ankavia.

7)-Akambano @ zipo ny tenan'akanjo (zaitra mikombona)

8)-Zairo ny manaratanany

9)-Paingory eo @ toerana misy azy ny tanany ka kendreo mba hifanandrify ny zaitra eo@ soroka sy ny afovoan'ny tanana.

10)-Manao vikavika avy eo manjaitra

11)-Zairo @ zay ny potrabozony ary avadiho @ lafitsarany

12)-Apetaho ny  potrabozon'akanjo (manomboka eo afovoany andamosina), vikavikao avy eo

13)-Apetaho manaraka ny vozony ny didy sompirana avy vikavikao sy zairo milina

14)-Avadiho dia avilino 1 cm rehefa vita

15)-Vikavikao ary avilino tanana ny lohatanany sy ny morontongony

16)-Ataovy ny aronjaitra rehetra

17)-Mariho sy ataovy ao afovoany andamosina ny lavabokotra mitsangana ka miala 1 cm avy eo ambony ny voalohany ary 7 cm ny elanelan'ny lavabokotra tsirairay

18)-Apetaho afovoan'ny ilany havia ny bokotra

 

Izay aloha ny hatreto,

fototra ihany ireo  fa anjaranao ny manovaova azy araka ny modely tianao sy mahafinaritra anao!

 

 

Hevitra

io fa tsy volomparasy tsony e

Nampidirin'i namana @ 15:48, 2013-03-01 [Valio]

Misaotra jentilisa!
Ezahiko soloina ilay volomparasy raha tsy
mety aminao. Mankasitraka e!

Nampidirin'i touky @ 11:04, 2013-03-01 [Valio]

Tokony hahafinaritra tokoa fa efa mason'antitra angamba nyahy ka tsy mahavaky ny soratra fa mipendrapendrana amin'ny maso ilay tokotany volomparasy nefa ny soratra mena na mainty.

Tohizo fa mba ahitana zava-baovao ny tahaka izao

Nampidirin'i jentilisa @ 17:35, 2013-02-27 [Valio]

tsara be asdy naita hevitra be miitsy
anjaitra ankajo a zao mba anaovan lap

Nampidirin'i sazykely @ 09:11, 2008-01-16 [Valio]

za koa mba te ahay

Tsara be marina le izy fa ampio ratoky raha mba azo atao a!

Nampidirin'i voanio @ 08:25, 2008-01-16 [Valio]

Misaotra ô

Misaotra Touky a :-). Mahafinaritra be re ny mamaky an'ilay teny gasy a! na dia tsy haiko aza ny sasany: teknika loatra ngamba.

Nampidirin'i Toukinao @ 18:53, 2008-01-15 [Valio]
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article