Fianarana zaitra @ teny malagasy.
Ho antsika Reny!
Tsy voatery mividy lafo ireny touffé ireny akory raha
te-hampiankanjo tsara ny zaza, mila mahay mandresy lahatra
ny tenanao hoe vitako io dia vita! sa ahoana hoy ianao?
Nofidiana ho anao ary ity lesona tsotsotra ity hanampy raha
liana @ izany ianao. Raha te-hijery ireo lesona hafa momba
ny zaitra ianao dia aza hadino ny mitsidika ny zaitra-couture-mode fa misy fanazavana sy lesona hafa koa ao.
Mazotoa ary e!
AKANJON'ANKIZIVAVY
(03 ka hatramin'ny 12 taona)
Fitaovana ilaina
1)-Metatra
2)-Fitsipika
3)-Pensilihazo
4)-Gaoma
5)-Taratasy be velarana
6)-Ravin-damba : halavan'ny akanjo miverina indroa ampiana 10cm ka hatramin'ny 20 cm arakaraky ny tona (zaza 03 taona : 100 cm x 80 cm)
7)-Bokotra efatra (4) ho an'ny zaza 03 taona)
8)-Milina fanjairana
Fakana Refy
1)- Manodidina ny tratra 5)- Velaran'ny lamosina
2)- Manodidina ny vozona 6)- Velaran'ny soroka
3)- Halavan''ny anoloana 7)- Manodidina ny sandry
4)- Halavan'ny akanjo 8)- Haavon'ny vodihelika
Haben'ny Zaitra
Eo @ tanany : - Vodihelika = 1 cm
- Manaratanan = 1,5 cm
- Lohatanana = 2 cm
@ tenan'akanjo : - Vozona = 0,5 cm
- Lohasoroka = 1,5 cm
- Manaratena = 1,5 cm
- Vodiheika = 1 cm
- Andilana = 1,5 cm
Ny zipo : - Sisiny = 1,5 cm
- Andilana = 1,5 cm
- Morontongony = 4 cm
- Lamba didy sompirana = 2cm x 28cm
Fomba fanjairana
1)-Manao vikavika mahalana isaky ny fiforetan'ny lamba sy afovoan'ny andamosina
2)-Zairo ny afovoan'ny andamosina
3)-Akambano @ zaitra mivelatra ny soroka sy ny manaratena
4)-Akambano ny sisin'ny zipo
5)-Aforeto ny arotaninandro aoriana @ tenan'akanjo
6)-Vikavikao sy ampifanindrio ny afovoany andamosina ka ny ankavanana no ataovy ambonin'ny ankavia.
7)-Akambano @ zipo ny tenan'akanjo (zaitra mikombona)
8)-Zairo ny manaratanany
9)-Paingory eo @ toerana misy azy ny tanany ka kendreo mba hifanandrify ny zaitra eo@ soroka sy ny afovoan'ny tanana.
10)-Manao vikavika avy eo manjaitra
11)-Zairo @ zay ny potrabozony ary avadiho @ lafitsarany
12)-Apetaho ny potrabozon'akanjo (manomboka eo afovoany andamosina), vikavikao avy eo
13)-Apetaho manaraka ny vozony ny didy sompirana avy vikavikao sy zairo milina
14)-Avadiho dia avilino 1 cm rehefa vita
15)-Vikavikao ary avilino tanana ny lohatanany sy ny morontongony
16)-Ataovy ny aronjaitra rehetra
17)-Mariho sy ataovy ao afovoany andamosina ny lavabokotra mitsangana ka miala 1 cm avy eo ambony ny voalohany ary 7 cm ny elanelan'ny lavabokotra tsirairay
18)-Apetaho afovoan'ny ilany havia ny bokotra
Izay aloha ny hatreto,
fototra ihany ireo fa anjaranao ny manovaova azy araka ny modely tianao sy mahafinaritra anao!
Hevitra